Isaiah 14:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia mba hihinana ny fadiranovana indrindra, ary handry fehizay ny mahantra; fa hataoko maty mosary kosa izay sisa tavela aminao; eny, hovonoina ho faty izay tavela aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka amin’izay ny faraidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry feizay. Fa ny taranakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo olona faran’izay fadiranovana dia ho tahaka ny ondrikely miraotra, ary ireo mahantra hiadana sy handry feizay; fa hataon’ny fahavalo matin-kanoanana hatrany ifotony kosa ianao, ry Filistia, ary izay sisa ao aminao dia haringana.
Malagasy Bible 1865
Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia mba hihinana ny fadiranovana indrindra, ary handry fehizay ny mahantra; fa hataoko maty mosary kosa izay sisa tavela aminao; eny, hovonoina ho faty izay tavela aminao.
malagasy
Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.[Heb. matoan'ny mahantra][Heb. ny fakanao]