Isaiah 14:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Midradradradrà, ry vavahady! Mitolokoa, ry tanàna! Aoka ho ketraka ianao ry tanin’ny Filistina manontolo! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra ary tsy misy miala amin’ny laharany akory ny miaramilany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna; Matahora mafy, ry Filistinina manontolo! Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ny laharana, ny antoko-miaramilany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Midradradradrà, ry tanàna mimanda, ka manaova antsoantsom-pitarainana. Ketraka ny Filistinina rehetra, fa misy setroka miakatra avy any avaratra; tsy misy mitsoaka an-daharana ny fahavalo.
Malagasy Bible 1865
Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Midradradradrà, ry vavahady*! Mitolokoa, ry tanàna! Aoka ho ketraka ianao ry tanin’ny Filistina manontolo! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra ary tsy misy miala amin’ny laharany akory ny miaramilany.
malagasy
Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.