Isaiah 14:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Inona moa no havaly ny irak’io firenena io? Izao: NY TOMPO efa nanorina an’i Ziona, ary ao no hialofan’izay olony ory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inona no havaly ireo iraky ny firenena? Izao: «I Iaveh no nanorina an’i Siôna, ka mahita fialofana ao izay ory amin’ny vahoakany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa inona no havaly ireo iraky ny Filistinina? –Izao ihany: Ny TOMPO no nanorina an’i Tsiôna ary ao no hialofan’ireo mahantra amin’ny vahoakany.
Malagasy Bible 1865
Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Inona moa no havaly ny irak’io firenena io? Izao: NY TOMPO efa nanorina an’i Ziona*, ary ao no hialofan’izay olony ory.
malagasy
Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.