Isaiah 14:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hambaranao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babilona izao hoe: Akory izay! Nitsahatra ilay mpampahory! Tsy ao intsony ilay mpampijaly!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!
Malagasy Bible 1865
dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hambaranao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babilona izao hoe: Akory izay! Nitsahatra ilay mpampahory! Tsy ao intsony ilay mpampijaly!
malagasy
dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]