Isaiah 14:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay namely firenena tamin-katezerana, tamin’ny kapoka tsy nanam-pitsaharana sady nampanompo firenena tamin’ny fahavinirana, tamin’ny fanenjehana tsy misy antra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nikapoka ny vahoaka tamin-katezerana mafy Izy, tamin’ny kapoka tsy an-kijanona; nentin’ny fisafoahany dia nataony ambany jioga ny firenena, tamin’ny fanenjehana tsy misy hiainana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
izay nikapoka ny vahoaka tamim-pahavinirana; nikapoka azy tsy an-kiato izy ka namolaka azy tamim-pahatezerana sady nanenjika azy tsy nisy indrafo.
Malagasy Bible 1865
Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay namely firenena tamin-katezerana, tamin’ny kapoka tsy nanam-pitsaharana sady nampanompo firenena tamin’ny fahavinirana, tamin’ny fanenjehana tsy misy antra.
malagasy
Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.