Isaiah 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty any ambany mba hitsena anao amin’ny fiavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny; atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taitra ny aminao ny Seoly any ambany lalina any, handeha hitsena anao. Fohaziny noho ny aminao ny avelo, ny mpanjakan’ny tany rehetra; asainy hitsangana avy eo amin’ny seza fiandrianana avokoa, ny mpanjakan’ny firenena rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka, ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any. Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa, dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany. Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay.
Malagasy Bible 1865
Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty* any ambany mba hitsena anao amin’ny fiavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny; atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra.
malagasy
Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[Heb. Sheola][Heb. osilahy]