Isaiah 15:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miakatra ho ao Baita sy ho ao Dibona ny olona, ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mba hitomany; i Moaba dia midradradradra any amin’i Nebo sy i Medeba; nokakasana ny loha rehetra; voaharatra ny somotra rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miakatra ho any an-tempolin’i Kamaosy sy any Dibôna ny olona, eny amin’ny fitoerana avo mba higogogogo; migogogogo ny amin’i Nebô sy i Medebà, i Moaba. Ny loha mibory avokoa; ny somotra voaharatra daholo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mponin’i Dibôna dia miakatra eny amin’ny toeram-pivavahany mba hitomany. Any Nebao sy Medebà no idradradradran’i Môaba. Voaharatra avokoa ny loha rehetra ary voaala ny volombava rehetra.
Malagasy Bible 1865
Miakatra ho ao amin'ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miakatra ho ao Baita sy ho ao Dibona ny olona, ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mba hitomany; i Moaba dia midradradradra any amin’i Nebo sy i Medeba; nokakasana ny loha rehetra; voaharatra ny somotra rehetra.
malagasy
Miakatra ho ao amin'ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]