Isaiah 15:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana ny olona; eny an- tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy ireo sady mijoy ny ranomasony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny an-dalam-be izy ireo mitafy lasàka; eny ambony tafon-trano sy eny an-kianja izy, minaonaona avokoa, mijoy ranomaso daholo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny an-dalambe dia lamba fisaonana no itafian’ny besinimaro, eny an-tampon-trano sy eny an-kianja eny no idradradradran’izy rehetra sady irotsahan’ny ranomasony.
Malagasy Bible 1865
Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana ny olona; eny an- tampon-tranony* sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy ireo sady mijoy ny ranomasony.
malagasy
Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.