Isaiah 15:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitoloko ny foko noho ny amin’i Moaba; tonga hatrany Zoara sy Eglata-Selisia ny olona mandositra avy ao. Fa miakatra am-pitomaniana ao amin’ny fiakarana Lohita izy, sady midradradradra amim-pamoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ory an’i Moaba ny foko; efa mby ao Segôra sahady ny mpiaro azy, efa ao Eglata-Selisiah. eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita; eny amin’ny lalan’i Hôrônaima, manao antsom-pahoriana ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitaraina ny foko noho ny amin’i Môaba: tonga hatrany Tsôhara sy Heglata-Selisià ny mpandositra. Mitomany ny olona mianika ny fiakaran’i Lohita ary midradradradra mamoy fo eny an-dalana ho any Hôrônaima.
Malagasy Bible 1865
Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitoloko ny foko noho ny amin’i Moaba; tonga hatrany Zoara sy Eglata-Selisia ny olona mandositra avy ao. Fa miakatra am-pitomaniana ao amin’ny fiakarana Lohita izy, sady midradradradra amim-pamoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima;
malagasy
Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]