Isaiah 16:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy ahitana ny hafaliana sy ny haravoravoana any amin’ny sahan-kazo fihinam-boa; tsy misy hoby na horakoraka ao amin’ny tanim-boaloboka! Tsy hanosihosy divay ao amin’ny famiazana intsony ny mpanosihosy; efa natsahatro ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Foana ny fifaliana amam-piravoravoana eo amin’ny sahan-kazo mamoa, tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony eo amin’ny tanimboaloboka; ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay eo amin’ny famiazana intsony; efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin’ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin’ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin’ny toeram-pamiazam-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.
Malagasy Bible 1865
Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy ahitana ny hafaliana sy ny haravoravoana any amin’ny sahan-kazo fihinam-boa; tsy misy hoby na horakoraka ao amin’ny tanim-boaloboka! Tsy hanosihosy divay ao amin’ny famiazana intsony ny mpanosihosy; efa natsahatro ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.
malagasy