Isaiah 16:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny kosa dia hoy NY TOMPO hoe: Raha afaka telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba. Na dia betsaka aza ny vahoakany dia ho vitsy sisa; eny, ho vitsy foana ka tsy misy lanjany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ankehitriny dia hoy ny TOMPO hoe: «Raha afaka telo taona androany, na ny olo-mangan’i Môaba na ny sarambabem-bahoakany dia samy ho tsinontsinona. Izay sisa tavela aminy dia vitsy kely tsy misy lanjany akory.»
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny kosa dia hoy NY TOMPO hoe: Raha afaka telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba. Na dia betsaka aza ny vahoakany dia ho vitsy sisa; eny, ho vitsy foana ka tsy misy lanjany.
malagasy
Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]