Isaiah 16:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hisy sezafiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo. Hisy hipetraka amin’ny fahamarinana eo aminy ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy sady ho haingam-pamoaka fitsarana marina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain’i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»
Malagasy Bible 1865
Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hisy sezafiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo. Hisy hipetraka amin’ny fahamarinana eo aminy ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy sady ho haingam-pamoaka fitsarana marina.
malagasy