Isaiah 16:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba; fatra-piavonavona loatra izy, mirehareha sy miavonavona, manao vava tafahoatra ary miteniteny foana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa renay ny avonavon’i Môaba izay mpiavonavona mihoa-pampana; efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.
Malagasy Bible 1865
Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba; fatra-piavonavona loatra izy, mirehareha sy miavonavona, manao vava tafahoatra ary miteniteny foana.
malagasy
Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.