Isaiah 16:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia hidradradradra amin’i Moaba i Moaba; eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; hitomany ny faharavan’i Kira-Hareseta ianareo ka ho ory indrindra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aoka i Moaba hitomany an’i Moaba; aoka hidradradradra izy rehetra! Ny ampempam-boalobok’i Kira Hereseta, no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa ankehitriny dia midradradradra ny amin’i Môaba ny Môabita. Eny, samy mitaraina izy rehetra ny amin’ny ampempam-boalobok’i Kira-Heresa, ka mitoloko fa tena voa mafy.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok 'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia hidradradradra amin’i Moaba i Moaba; eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; hitomany ny faharavan’i Kira-Hareseta ianareo ka ho ory indrindra.
malagasy
Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]