Isaiah 16:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa malazo ny sahan’i Hesbona; norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma izay tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-tany efitra; nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa zoin-doza avokoa ny sahan’i Hesebona; ny amin’ny voalobok’i Sabamà, dia efa noravan’ny tompon’ny firenena ny sakeliny mandadina, izay efa nisandrahaka hatrany Jazera, nandroso tsy hita lany tany an’efitra, nandefa lavitra ny solofony, nampita ny ranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.
Malagasy Bible 1865
Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa malazo ny sahan’i Hesbona; norantsanan’ny andrianan’ny firenena ny voalobok’i Sibma izay tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-tany efitra; nandadilady ny sampany ka tafita ny ranomasina.
malagasy
Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan'ny firenena ny sakeliny]