Isaiah 16:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izany no hitomaniako ny voalobok’i Sibma, toy ny fitomanian’i Jazera, handena anao amin’ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale, satria eo amin’ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao dia tsy misy ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho, momba ny voalobok’i Sabamà; mandrotsaka ranomaso aminareo aho ry Hesebona, ry Eleale, fa ny vokatrareo amam-pararanonareo, no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibmà miaraka amin’ny mponin’i Jahizera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbôna sy Elehale, fa niharan’ny akoran’ady ny fiotazanareo sy ny fijinjànareo:
Malagasy Bible 1865
Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian 'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izany no hitomaniako ny voalobok’i Sibma, toy ny fitomanian’i Jazera, handena anao amin’ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale, satria eo amin’ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao dia tsy misy ny horakoraka fanao raha mioty voaloboka.
malagasy
Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an'i]