Isaiah 17:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny loza hanjo an’i Damaskosy. Indro, rava tsy ho tanàna intsony i Damaskosy; eny, tonga korontam-bato izy sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faminaniana ny amin’i Damasa. Indro fa i Damasa voaesotra tsy ho isan-tanàna intsony; dia ho korontan-javatra foana izy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra momba an’i Damasy. Hitsahatra tsy ho tanàna intsony i Damasy, fa ho tonga korontam-bato sisa.
Malagasy Bible 1865
Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny loza hanjo an’i Damaskosy. Indro, rava tsy ho tanàna intsony i Damaskosy; eny, tonga korontam-bato izy sisa.
malagasy
[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.