Isaiah 17:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao, dia tsy nahatsiaro ny Vatolampy fiarovana mafy ho anao. Noho izany dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-kazo avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria ianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao, tsy nahatsiaro ny Vatolampin’ny herinao. Koa dia mamboly voly mahafinaritra ianao, ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an’ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an’ny andriamani-tsiizy.
Malagasy Bible 1865
Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao, dia tsy nahatsiaro ny Vatolampy fiarovana mafy ho anao. Noho izany dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-kazo avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo;
malagasy