Isaiah 17:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo izy, ary nony maraina dia nitsimoka ilay nambolenao. Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andron’ny fahoriana ary tsy ho azo sitranina ny fanaintainana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro ambolenao azy dia fefenao manodidina izy, ary ny ampitso maraina, dia mampamony ny voa nafafinao ianao; kanjo tsy azonao ny vokatra amin’ny andron’ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo ny voly; ary vao maraina iny ihany, dia hitanao nitsimoka ny voa. Kanjo tonga ny andron’ny loza ka nanjavona ny vokatra ary tsy ahitam-panafana intsony ny aretina.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo izy, ary nony maraina dia nitsimoka ilay nambolenao. Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andron’ny fahoriana ary tsy ho azo sitranina ny fanaintainana.
malagasy
Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin'ny andro hahazoana azy]