Isaiah 17:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina; ny firohondrohon’ny olona marobe tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! Mirohondrohona toy ny firohondrohon’ny ranomasina izy ireo. firohondrohom-pirenena re izany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andray izany firodorodon’ny vahoaka marobe toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan’ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery!
Malagasy Bible 1865
Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina; ny firohondrohon’ny olona marobe tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja!
malagasy
[Ny handringanana ny Asyriana] Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!