Isaiah 17:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny ranobe ny firenena kanefa hotezerana mafy izy ka handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy. Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon’ny ranobe. Kanjo rahonany ireny, dia mandositra lavitra, dia tafaely toy ny mololo tsofin’ny rivotra eny an-kavoana, toy ny vovoka mitambolimbolina eo anoloan’ny tafio-drivotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fitrenan’ireo firenena dia toy ny fitrenan’ny ranomasimbe. Nefa rahonan’ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin’ny tadio.
Malagasy Bible 1865
Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny ranobe ny firenena kanefa hotezerana mafy izy ka handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.
malagasy
Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.