Isaiah 17:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hariva ny andro dia injao, fampihorohoroana; kanefa raha tsy mbola maraina akory aza dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’izay mamabo antsika sy tambin’izay mandroba antsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao takariva dia injao ny horohoro, tsy maraina akory dia efa foana izany. Toy izany no hanjo izay nandroba antsika sy ho anjaran’izay namabo antsika.
Malagasy Bible 1865
Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hariva ny andro dia injao, fampihorohoroana; kanefa raha tsy mbola maraina akory aza dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’izay mamabo antsika sy tambin’izay mandroba antsika.
malagasy
Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.