Isaiah 17:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy na izay sisa amin’i Arama. Hitovy voninahitra amin’ny Zanak’Israely izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halana amin’i Efraima ny manda, ary ny fanjakana amin’i Damasa; ny sisa amin’i Siria, ho toy ny voninahitry ny zanak’i Israely, - teny ton’i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hisy manda fiarovana intsony any Efraîma; tsy hisy fanjakana intsony koa any Damasy, ary izay sisa tavela amin’ny Sirianina dia tsy hisy lanjany noho ny Israelita. Izany no teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy na izay sisa amin’i Arama. Hitovy voninahitra amin’ny Zanak’Israely izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy
Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.