Isaiah 17:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy, tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva, hisy voany roa na telo eny an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra, hoy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo, - teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka tsy hisy amin’ny taranak’i Jakôba afa-tsy sombintsombiny sisa hotsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan’ôliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin’ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy, tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva, hisy voany roa na telo eny an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra, hoy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
malagasy