Isaiah 17:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* na ny tsangambato ho an’ny masoandro.
malagasy
Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny][Na: tsangam-bato]