Isaiah 18:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay mandefa iraka eny ambonin’ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ny rano ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka haingam-pandeha, ho any amin’ny firenena misy olona lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ny olona mahatahotra hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, dia ny firenena matanjaka be sady mahery setra, izay vakivakin’ny ony maro ny taniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay mandefa iraka eny ambony ranomasina, amin’ny lakan-jozoro ambonin’ny vohon-drano! Mandehana ianareo iraka faingam-pandeha, mankany amin’ny firenena lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny, any amin’ny vahoaka atahorana any lavitra any; firenena manao jadon’ny mpanjaka sy manorotoro, izay vakivakin’ny ony ny taniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin’ny ranon’i Neily. –Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin’ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, any amin’ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin’ny taninareo izay vakivakîn’ny ony maro.
Malagasy Bible 1865
Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay mandefa iraka eny ambonin’ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ny rano ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka haingam-pandeha, ho any amin’ny firenena misy olona lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ny olona mahatahotra hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, dia ny firenena matanjaka be sady mahery setra, izay vakivakin’ny ony maro ny taniny.
malagasy
Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny.[Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]