Isaiah 18:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao, ry mpitoetra etỳ ambonin’ny tany, mijere ianareo rehefa misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra; ary rehefa misy anjomara tsofina dia mihainoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao, ry mponina ambonin’ny tany! mijere ianareo, rehefa voatsangana eny an-tendrombohitra ny faneva, mihainoa ianareo rehefa maneno ny trômpetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo rehetra mponina amin’izao tontolo izao ka mipetraka eto ambonin’ny tany, mijere rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny faneva famantarana, mihainoa raha vao maneno ny anjomara.
Malagasy Bible 1865
Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao, ry mpitoetra etỳ ambonin’ny tany, mijere ianareo rehefa misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra; ary rehefa misy anjomara tsofina dia mihainoa.
malagasy
Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.