Isaiah 18:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hafoy avokoa izy ka ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza dia handany ny fahavaratra any ary ny bibidia rehetra ambonin’ny tany dia handany ny ririnina any.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy rehetra indray hatolotra ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza hihinana azy amin’ny fahavaratra; ary ny biby ambonin’ny tany koa amin’ny ririnina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany rehetra izany dia hilaozana ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin’ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hafoy avokoa izy ka ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza dia handany ny fahavaratra any ary ny bibidia rehetra ambonin’ny tany dia handany ny ririnina any.
malagasy
Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]