Isaiah 18:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hisy fanomezana hoentina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, avy amin’ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, firenena mahatahotra hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, firenena matanjaka be sady mahery setra, izay vakivakin’ny ony maro ny taniny, ho ao amin’ny fitoeran’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia ny tendrombohitra Ziona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, hisy fanatitra haterina amin’i Iavehn’ny tafika, avy amin’ny vahoaka lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny, amin’ny vahoaka atahorana any lavitra any, firenena manao jadona sady manorotoro ary vakivakin’ny ony ny taniny, ho ao amin’ny fonenan’ny Anaran’i Iavehn’ny tafika, any an-tendrombohitra Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiôna izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hisy fanomezana hoentina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, avy amin’ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, firenena mahatahotra hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, firenena matanjaka be sady mahery setra, izay vakivakin’ny ony maro ny taniny, ho ao amin’ny fitoeran’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia ny tendrombohitra Ziona*.
malagasy
Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]