Isaiah 19:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny loza hanjo an’i Ejipta: Indro NY TOMPO mitaingina rahona miriotra mafy ka tonga any Ejipta. Mangorohoro eo anatrehany ny andriamanitra tsy izy any Ejipta, ary ketraka ny fon’i Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra momba an’i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.
Malagasy Bible 1865
Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny loza hanjo an’i Ejipta: Indro NY TOMPO mitaingina rahona miriotra mafy ka tonga any Ejipta. Mangorohoro eo anatrehany ny andriamanitra tsy izy any Ejipta, ary ketraka ny fon’i Ejipta.
malagasy
[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]