Isaiah 19:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tena adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; hevi-poana no avoakan’ireo izay hendry indrindra amin’ny mpanolotsainan’i Farao. Ahoana no ilazanareo amin’i Farao hoe: Zanak’olon-kendry aho sady taranak’ireo mpanjaka tamin’ny fahagola?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana; ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna dia hadalana ny toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe: Zanak’olon-kendry aho, taranak’andriana fahagola aho?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tena adala mihitsy ireo printsy ao Tsôhàna. Ary tena very saina ireo olon-kendrin’ny Farao. Ahoana no samy ilazanareo amin’ny Farao hoe: «Izaho dia zanak’olon-kendry sady taranak’ireo mpanjaka fahagola?»
Malagasy Bible 1865
Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tena adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; hevi-poana no avoakan’ireo izay hendry indrindra amin’ny mpanolotsainan’i Farao. Ahoana no ilazanareo amin’i Farao hoe: Zanak’olon-kendry aho sady taranak’ireo mpanjaka tamin’ny fahagola?
malagasy