Isaiah 19:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO efa nandrotsaka fanahy mampandraingiraingy tao Ejipta ka nampivembena azy tamin’ny asany rehetra nataony, tahaka ny olona mamo mivembena sady mandoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nandatsahan’ny TOMPO fanahy mampivembena izy, ka dia nampivembena an’i Ejipta hatrany eo amin’ny asa rehetra ataon’io firenena io, izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.
Malagasy Bible 1865
Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO efa nandrotsaka fanahy mampandraingiraingy tao Ejipta ka nampivembena azy tamin’ny asany rehetra nataony, tahaka ny olona mamo mivembena sady mandoa.
malagasy
Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]