Isaiah 19:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy i Ejipta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny fanaingan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny tanany, izay aingainy hamelezany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy i Ejipta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny fanaingan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny tanany, izay aingainy hamelezany azy.
malagasy
Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.