Isaiah 19:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho tahotr’i Ejipta ny tanin’i Joda, koa na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hamelezana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny tanin’i Jodà, hahatahotra mafy an’i Ejipta: hangovitra izy, isaky ny misy olona hampahatsiaro azy izany anarana izany noho ny didin’i Iavehn’ny tafika, izay navoakany hamelezany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho fahatsiarovana mampihoron-koditra azy ireo ny tanin’i Joda. Koa isaky ny misy miresaka izany aminy, dia hangovitra ny Ejiptianina noho izay hotapahin’ny Tompon’izao rehetra izao mba hamelezana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho tahotr’i Ejipta ny tanin’i Joda, koa na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hamelezana azy.
malagasy