Isaiah 19:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hisy tanàna dimy amin’ny tany Ejipta samy hiteny ny fitenin’i Kanana sy hianiana fa ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ny iray amin’ireny dia hatao hoe Ira-Haresa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin’ny tany Ejipta, izay hiteny amin’ny fiteny Kanaàna sy hianiana hanompo an’i Iavehn’ny tafika; ny iray amin’ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia hisy tanàna dimy hiteny hebreo any Ejipta sady hianiana hiraiki-po amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao. Ka ny anaran’ny tanàna anankiray dia hatao hoe Tanànan’ny masoandro.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hisy tanàna dimy amin’ny tany Ejipta samy hiteny ny fitenin’i Kanana sy hianiana fa ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ny iray amin’ireny dia hatao hoe Ira-Haresa.
malagasy
Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]
Recommended Reading