Isaiah 19:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho famantarana sy vavolombelona ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ao amin’ny tany Ejipta ireo; raha mitaraina amin’NY TOMPO noho ny mpampahory izy dia haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ho famantarana ho an’i Iavehn’ny tafika izany, sy ho vavolombelona eo amin’ny tany Ejipta; ka rehefa hitaraina amin’i Iaveh izy ireo, noho ny mpampahory azy, dia haniraka mpamonjy izy, sy mpiaro mahery hanafaka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no famantarana sy vavolombelona ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao fa eo anivon’ny tany Ejipta Izy izao. Koa rehefa miantso vonjy amin’ny TOMPO ny Ejiptianina noho ny mpampahory azy, dia hanirahany mpamonjy izay hiaro sy hanafaka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho famantarana sy vavolombelona ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ao amin’ny tany Ejipta ireo; raha mitaraina amin’NY TOMPO noho ny mpampahory izy dia haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
malagasy
Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]