Isaiah 19:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanao izay hahafantaran’ny Ejiptiana Azy NY TOMPO, ary hahalala NY TOMPO kosa ny Ejiptiana amin’izany andro izany; dia hanompo Azy amin’ny fanatitra alatsa-dra sy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy ka hivoady amin’NY TOMPO sady hanefa ny voadiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao izay hahafantaran’i Ejipta azy i Iaveh, ka hahalala an’i Iaveh i Ejipta amin’izany andro izany, hanao sorona amam-panatitra izy ireo, hivoady amin’i Iaveh sy hanefa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hampahafantatra ny tenany amin’ny Ejiptianina ny TOMPO mba hahafantarany AZY amin’izany andro izany sady hanompoany Azy amin’ny alalan’ny sorona sy fanatitra; ary hanao voady amin’ny TOMPO izy ka hanefa izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanao izay hahafantaran’ny Ejiptiana Azy NY TOMPO, ary hahalala NY TOMPO kosa ny Ejiptiana amin’izany andro izany; dia hanompo Azy amin’ny fanatitra alatsa-dra sy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy ka hivoady amin’NY TOMPO sady hanefa ny voadiny.
malagasy