Isaiah 19:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho very hevitra ny Ejiptiana; eny, hofoanako ny fikasany; hila saina amin’ny andriamanitra tsy izy sy amin’ny mpiantso ny fanahin’ny maty ary amin’ny mpanandro izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fanahin’i Ejipta ho foana ao anatiny; ary ny fisainany hataoko very; hanontaniany ny mpimasy ama-mpanao fankatoavana, mbamin’ny mpamoha angatra ama-mpisikidy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho very hevitra ny Ejiptianina fa hampisavorovoroiko ny pôlitikany; koa ny fanahin’ny maty sy ny mpimasy ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.
Malagasy Bible 1865
Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho very hevitra ny Ejiptiana; eny, hofoanako ny fikasany; hila saina amin’ny andriamanitra tsy izy sy amin’ny mpiantso ny fanahin’ny maty ary amin’ny mpanandro izy.
malagasy