Isaiah 19:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ho ngazana ny moron’i Neily sy ny vavaranon’i Neily, ho maina izay nafafy teny amoron’i Neily ka tsy ho eny intsony fa hopaohin’ny rivotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tanim-bilona manaraka an’i Nila ao amoron’i Nila, ny saha voafafy rehetra manaraka an’i Nila: ho maina hanjary foana, ary tsy hisy intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zava-maniry eo amin’ny vinanin’i Neily mbamin’ny fambolena rehetra eny amoron’io ony io dia ho maina avokoa sy ho lasan’ny rivotra ka tsy hisy na inona na inona intsony.
Malagasy Bible 1865
Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ho ngazana ny moron’i Neily sy ny vavaranon’i Neily, ho maina izay nafafy teny amoron’i Neily ka tsy ho eny intsony fa hopaohin’ny rivotra.
malagasy
Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.