Isaiah 2:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:
Malagasy Bible 1865
Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny,
malagasy
Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,