Isaiah 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny sampy volafotsy sy volamena nataony hiankohofana;
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany;
malagasy
Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany