Isaiah 2:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hiditra amin’ny triatra amin’ny vatolampy sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy, noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hiditra amin’ny hirika sy ny tsefatsefa-bato izy mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra azy sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra ny Tompo hampihorohoro ny tany.
Malagasy Bible 1865
Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hiditra amin’ny triatra amin’ny vatolampy sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy, noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
malagasy
Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?