Isaiah 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, olona marobe no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba! Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, sy handehanantsika amin’izay tokony haleha. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Handeha ho any ny firenena marobe ka hifampitaona hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, ho any an-tranon’ilay Andriamanitr’i Jakôba; dia hampianariny antsika ny sori-dàlany, ary harahintsika ny lalana hatorony.» Fa avy ao Tsiôna no ivoahan’ny fampianarana, ary avy ao Jerosalema no iavian’ny tenin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, olona marobe no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba! Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, sy handehanantsika amin’izay tokony haleha. Fa avy any Ziona* no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
malagasy
Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.