Isaiah 2:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony.
malagasy