Isaiah 2:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Ianao satria feno ny fanaon’ny avy any atsinanana izay mpanandro tahaka ny Filistina izy sady nanao fanekena tamin’ny zana-bahiny;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa efa nandao ny vahoakanao Ianao, ny taranak’i Jakôba, satria efa feno tafahoatra hatry ny ela ny helony; manaraka ny fankatoavana toy ny Filistinina izy, ary mifandray tanana amin’ny zanaky ny hafa firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, efa narianao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba, satria nihahohaho tao aminy ny mpimasy avy any atsinanana sady betsaka tahaka ny an’ny Filistinina ny mpanandrony; ary nifandray tendro tamin’ny vahiny izy.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Ianao satria feno ny fanaon’ny avy any atsinanana izay mpanandro tahaka ny Filistina izy sady nanao fanekena tamin’ny zana-bahiny;
malagasy
Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]