Isaiah 20:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany no nampitondran’NY TOMPO teny an’Isaia, zanak’i Amoza hoe: Andeha, borahy ho afaka eny an-tsikinanao ny akanjo fisaonana, ary esory hiala amin’ny tongotrao ny kiraronao. Dia nanatanteraka izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tamin’izany andro izany niteny i Iaveh tamin’ny alalan’i Izaia, zanak’i Amôsa nanao hoe: «Mandehana, borahy ny lasàka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin’ny tongotrao.» Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Telo taona talohan’izany kosa dia nampitondra teny an’i Isaià zanakalahin’i Amôtsa ny TOMPO hoe: «Mandehana, vahao ny lamba gony eny an-tsikinanao ary esory ny kapa eny an-tongotrao.» Dia nataon’i Isaià izany, ka nandeha tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro izy.
Malagasy Bible 1865
tamin'izany andro izany no nampitondran'i Jehovah teny an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany no nampitondran’NY TOMPO teny an’Isaia, zanak’i Amoza hoe: Andeha, borahy ho afaka eny an-tsikinanao ny akanjo fisaonana, ary esory hiala amin’ny tongotrao ny kiraronao. Dia nanatanteraka izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
malagasy