Isaiah 20:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho raiki-tahotra sy hitsanga-menatra ny Israely noho ny amin’i Kosy fanantenany sy i Ejipta reharehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin’izay, noho ny amin’i Etiôpia, nataony hiankinana, sy noho ny amin’i Ejipta, nataony rehareha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho kivy sy ho diso fanantenana ireo Israelita ireo, izay nanantena an’i Etiôpia na nihambo tamin’ny fanampian’i Ejipta.»
Malagasy Bible 1865
Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho raiki-tahotra sy hitsanga-menatra ny Israely noho ny amin’i Kosy fanantenany sy i Ejipta reharehany.
malagasy
Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy]Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?