Isaiah 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hiteny ny mponina etỳ amoron-dranomasina hoe: E, ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asiria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany ny mponina eo amoron’ity ranomasina ity hanao hoe: ‹Izao lahy no nanjò an’ilay niankinantsika, ilay noheverintsika mandositra hohatonina hitady famonjena ary mba ho afaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria? Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra?› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: «Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan’i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?»
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hiteny ny mponina etỳ amoron-dranomasina hoe: E, ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asiria! Aiza intsony re no handosirantsika?
malagasy