Isaiah 21:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny loza hanjo ny tany efitra amoron’ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any Negeva no fiaviny avy any an-tany efitra, avy any amin’ny tany mahatahotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an’i Negeba no fiavin’ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin’ny tany anankiray mahatahotra.
Malagasy Bible 1865
Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny loza hanjo ny tany efitra amoron’ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any Negeva no fiaviny avy any an-tany efitra, avy any amin’ny tany mahatahotra.
malagasy
[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]