Isaiah 21:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianareo izay voavely toy ny vary teo am-pamoloako! Izay efa reko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no nambarako taminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry variko velezina ô, voam-barin’ny famoloako, izay reko tamin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no ambarako aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr’i Israely, ka ampahafantariko anareo.
Malagasy Bible 1865
Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianareo izay voavely toy ny vary teo am-pamoloako! Izay efa reko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no nambarako taminareo.
malagasy
Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]